VOOZH about

URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/BirdLife_International

⇱ BirdLife International — Wikipedia


Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
👁 Image
Sary sy soratra famantarana ny BirdLife International

Ny BirdLife International (na BLI) dia fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina amin' ny fanjakana (ONG) natokana ho an' ny fiarovana ny natiora, ary indrindra ny vorona. Izy io dia mampivondrona ONG hafa sy mpahay zavaboary tsy matihanina an' arivony, ary koa ireo manam-pahaizana momba ny tontolo iainana sy ôrnitôlôga matihanina, mpahay siansa ary mpitantana ny fiarovana zavaboary. Ny tanjony dia ny hanamora ny famahana ny olana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana maneran-tany, ohatra, ny fiarovana ny vorona mpifindra monina, izay tsy maintsy misy eto an-toerana sy maneran-tany.

Ny BirdLife International dia mpiara-miombona antoka amin' ny manampahefana eny ifotony, amin' ny governemanta ary amin' ny fikambanana iraisam-pirenena, izay mamokatra angon-drakitra siantifika sy manolotra fahaiza-manao momba ny fitahirizana ny karazam-borona sy ny famerenana amin' ny laoniny, ny fiarovana sy fitantanana ny toeram-ponenany sy ny fepetra ilany amin' ny fiainany. Ity fikambanana ity no tompon' andraikitra filamatra amin' ny famolavolana ny Lisitra menan' ny International Union for Conservation of Nature (IUCN) momba ny karazana atahorana no lany tamingana.

Ankoatra ny lohahevitra momba ny vorona dia mikendry fandraisana anjara amin' ny fiarovana ny tontolo iainana, izay tena ilaina amin' ny fahavelomana sy ny fahasalaman' ny vorona koa io fikambanana io. Mahazo ny fanohanan' ny olona an-tapitrisany maro maneran-tany ilay fikambanana

Ny Ligue pour la protection des oiseaux no solontena ôfisialin' ny BirdLife International ho an' i Frantsa nanomboka tamin' ny 1993. Any Belzika, dia ny Natagora (ho an' ny faritra miteny frantsay sy miteny alemàna) sy ny Natuurpunt (ho an' ny faritra miteny flamanda) no ny mpiara-miombona antoka amin' ny BirdLife International.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]