VOOZH about

URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Coleoptera

⇱ Coleoptera — Wikipedia


Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
👁 Image
Biby isan-karazanay ao amin' ny Coleoptera: Dytiscidae, Cerambycidae, Coccinellidae, Curculionidae, Meloidae, Buprestidae, Rhipiceridae, Lampyridae, Elateridae, Lucanidae, Lycidae, Scarabaeidae, Prionoceridae, Staphylinidae, Mycteridae, Ripiphoridae, Carabidae, Pyrochroidae

Ny Coleoptera dia filaharana ao amin' ny Insecta (bibikely) manana fiofohana feno (Holometabola), misy elatra matevina sy mafy miaro ny elatra manify. Izy ireo no filaharana ao amin' ny Animalia (biby) manana karazana voafaritra betsaka indrindra. Karazana na vondron-karazana maro no manana anarana iombonana; ny borera (Scarabaeidae), ny voangory (Melolonthinae), ny bibimbary na haombary (Curculionidae, Dryophthoridae), sns.

Avy amin' ny teny grika hoe κολεός / koleós "fono" sy πτερόν / pterón "elatra" ny teny hoe "Coleoptera ". Amin' ny teny malagasy dia mety ho lazaina amin' ny ankapobeny hoe "vangory" ny Coleoptera rehetra.

Manana fiarovan-tena mahomby noho ny fiovan' ny elatra ambony ho lasa ampinga ny Coleoptera, manana karana ivelany henjana koa izy, isan-karazany ny sakafony, afaka miteraka be dia be izy. Ireo lafin-javatra ireo, izay ahafahan' izy ireo manjanaka faritra sy toerana ara-tontolo iainana isan-karazany, dia manazava ny fahombiazan' ny fivoarany miandalana. Manana vatana mizara ho vaniny (tagma) telo izy: loha misy vava afaka manapotika zavatra mafy, ringotra roa (karazana tandroka), ary maso marolafy tsy misy masokely; tratra misy tongotra enina sy elatra efatra, ary kibo tsy misy rantsam-batana ary misy fizaràna sivy amin' ny vavy ary folo amin' ny lahy. Mandrakotra sy miaro ny tratra sy ny kibo ny elatra voalohany ambony tsy misy kirany ary indraindray tena maro loko, fa ampiasaina amin' ny fanidinana kosa ny elatra faharoa ambany sy manify.

Nipoitra efa ho 280 tapitrisa taona lasa izay ny Coleoptera (tamin' ny alalan' ny fianakaviambe Tshekardocoleoidea) izay anisan' ny zavamananaina vitsy mitovy endrika amin' ny razambeny. Miaina an-tanety indrindra sy amin' ny toetany rehetra ary nanjanaka ny biôtôpy an-tanibe rehetra ny Coleptera, na an-tanety na an-dranomamy, afa-tsy any Antarktika. Ny tontolo an-dranomasina ihany no tsy nozanahiny, io toeram-ponenana io dia bahanan' ny Crustacea (raha ny Arthropoda no heverina), izay nivoahan' ny Hexapoda tamin' ny alalan' ny fampifanarahany ny fomba fiainany amin' ny tontolo iainana an-tanety. Antsoina hoe kôleôpterôlôjia ny sampan' ny entômôlôjia izay misahana manokana ny Coleoptera.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Ny filaharana Coleoptera dia mizara ho zana-pilaharana efatra;

  • Adephaga Schellenberg, 1806
  • Archostemata Kolbe, 1908
  • Myxophaga Crowson, 1955
  • Polyphaga Emery, 1886

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]