VOOZH about

URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Fabaceae

⇱ Fabaceae — Wikipedia


Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
Fabaceae
👁 Image
Sôza (Glycine max)
Fanasokajiana ara-tsiansa
Fanjakana:
Klady:
Klady:
Klady:
Filaharana:
Fianakaviana:
Fabaceae

Ny Fabaceae na Leguminosae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Fabales. Anisan' ny fianakavian-javamaniry maro karazana indrindra amin' ny zavamaniry mamony izy ireo, fahatelo aorian' ny Orchidaceae sy ny Asteraceae raha ny karazana ao aminy no heverina. Misy vondron-karazana 765 eo ho eo ny Fabaceae izay misy karazany 19500 mahery. Ny zana-pianakaviana telo fantatra dia ireto manaraka ireto: ny Mimosoideae sy ny Caesalpinioideae ary ny Faboideae na Papilionoideae. Amin' ny lafiny ara-toekarena, ny Fabaceae no fianakavian-javamaniry faharoa manan-danja indrindra aorian' ny Poaceae, sady loharanom-prôteinina tena ilaina amin' ny sakafo ho an' ny olombelona sy ny biby. Anisan' izany ny tsaramaso (Phaseolus vulgaris L.), ny tsiasisa (Cicer arietinum), ny voanemba (Vigna sinensis L.), ny sôza (Glycine max), ny voanjo (Arachis hypogaea), ny kily (Tamarindus indica), ny lozerna (Medicago sativa), likôrisa (Glycyrrhiza glabra).

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Zana-pianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho zana-pianakaviana telo ny Fabaceae, araka ny fanasokajiana klasika:

Mizara ho zana-pianakaviana enina izy araka ny fanasokajiana filôjenetika, dia ireto izany:

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vondron-karazana lehibe indrindra dia ny Astragalus (karazana 2400 mahery), ny Acacia (karazana 950 mahery), ny Indigofera (karazana 700 eo ho eo), ny Crotalaria (karazana 700 eo ho eo) ary ny Mimosa (karazana 500 eo ho eo). Ny vondron-karazana Faba, izay atsoina hoe Vicia koa, no vondron-karazana filamatra. Ao amin' ity fianakaviana ity dia ahitana ireto vondron-karazana manaraka ireto, izay natsitokotoko isaky ny zana-pianakaviana araka ny fanasokajiana filôjenetika: Caesalpinioideae, Cercidoideae, Detarioideae, Dialioideae, Duparquetioideae, Faboideae (lisitra tsy feno):

Mimosoideae

[hanova | hanova ny fango]

Ao.amin' ny Mimosoideae no ahitana ireto vondron-karazana ireto:

Caesalpinioideae

[hanova | hanova ny fango]

Ao.amin' ny Caesalpinoideae no ahitana ireto vondron-karazana ireto:

Faboideae na Papilionoideae

[hanova | hanova ny fango]

Ao.amin' ny Faboideae no ahitana ireto vondron-karazana ireto:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]