Ny Omphalea dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae izay nofaritana voalohany ho vondron-karazana tamin' ny taona 1759. Teratany any amin' ny faritra mafana any Amerika, Karaiba, Azia, Aostralia ary Afrika (anisan' izany i Madagasikara) ny karazan-javamaniry ao aminy. Ny Omphalea dia vondron-javamaniry manana voninkazo mônôika, tsy misy felam-bony ary ny voany misy nofony miaraka vihiny mafy.
Ekôlôjia
[hanova | hanova ny fango]Poizina ny karazan-javamaniry ao aminy ary vitsy ny biby afaka mihinana azy. Ny samoina mivoaka andro ao amin' ny zana-pianakaviana Uraniinae dia mihinana azy ireo. Ireo samoina ireo dia karazana ao amin' ny vondron-karazana Urania any Amerika, sy ao amin' ny vondron-karazana Chrysiridia any Afrika.
Ny hany karazana any ao Afrika tanibe dia ny Omphalea mansfeldiana, vahy any Tanzania. Ny karazana hita eto Madagasikara dia ny Omphalea ankaranensis, hazobotry ao amin' ny karst vatosokay any avaratr' i Madagasikara, ny Omphalea palmata Leandri, alan-kirihitra maina mifandray akaiky amin' ny Omphalea ankaranensis fa hita any andrefan' i Madagasikara, ny Omphalea occidentalis Leandri, karazana maromaro any amin' ny ala maina any andrefan' i Madagasikara koa, ary hazo Omphalea oppositifilia izay hazo ao amin' ny ala morana any atsinanan' i Madagasikara. Ny samoina Chrysiridia rhipheus mpivoaka amin' ny filentehan' ny masoandro eto Madagasikara dia mihinana ny efatra amin' ireo karazana ireo.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]karazana manodidina ny 20 ity vondron-karazana ity.
Karazana ao amin' ny vondron-karazana ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]- Omphalea ankaranensis - any amin' ny faritra avaratra amin' i Madagasikara
- Omphalea bracteata - any Indôsina, Malezia, Borneo ary Filipina
- Omphalea brasiliensis - any Bahia (Brezila)
- Omphalea celata - any Queensland (Aostralila)
- Omphalea commutata - any Haity anisdany i Gonâve Island
- Omphalea diandra - any Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo ary Karaiba
- Omphalea ekmanii - any amin' ny Reponlika Dôminikana
- Omphalea grandifolia - any Filipina
- Omphalea hypoleuca - any Kioba andrefana
- Omphalea malayana - any Pulao Tioman, Sarawak, Luzon
- Omphalea mansfeldiana - any Tanzania
- Omphalea megacarpa - any Grenada, Trinidad, Tobago
- Omphalea occidentalis - ao amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara
- Omphalea oleifera - any Meksika sy any America Afovoany
- Omphalea oppositifolia - ao amin' ny faritra atsinanana amin' i Madagasikara
- Omphalea palmata - ao amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara
- Omphalea papuana - any Queensland sy any Papoazia
- Omphalea queenslandiae - any Queensland
- Omphalea sargentii - any Indônezia sy any Malezia ary any Filipina
- Omphalea triandra - any Jamaika sy any Haity
- Omphalea trichotoma - any Kiobà
Karazana nesorina avy ao
[hanova | hanova ny fango]Ireto karazana manaraka ireto dia inesorna avy amin' ny vondron-karazana Omphalea ka nafindra any amin' ny vondron-karazana hafa: Mabea, Phyllanthus, Sapium, Sebastiania ary Senefeldera.
- Omphalea axillaris - Phyllanthus axillaris
- Omphalea cauliflora - Phyllanthus cauliflorus
- Omphalea eglandulata - Sebastiania eglandulata
- Omphalea epistylium - Phyllanthus axillaris
- Omphalea glandulata - Sapium glandulosum
- Omphalea lactescens - Mabea piriri
- Omphalea verticillata - Senefeldera verticillata
