Ny Ulmaceae dia fianakavian-javamaniry mamony, dikôtiledôna, ao amin' ny filaharana Rosales. Ahitana karazany 45 hatramin' ny 200 eo ho eo mitsinjara amin' ny vondron-karazana 7 hatramin' ny 15 izy io. Hazo na hazobotry izy ireo, miparitaka be any amin' ny faritra manana toetany antonony sy amin' ny faritra manana toetany trôpikaly.
Namboarina indraindray ity fianakaviana ity mba hampidirana ny Celtis sy ny namany nefa manondro ny fanadihadiana nataon' ny Angiosperm Phylogeny Group fa apetraka ao amin' ny fianakaviana Cannabaceae ireo karazana ireo. Misy fanasokajiana mampiditra ny vondron-karazana Ampelocera ao aminy.
Vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]- Ampelocera Klotzsch 1847 (12 spp.)
- Hemiptelea Planch. 1872 (1 sp.)
- Holoptelea Planch. 1848 (1 sp.)
- Phyllostylon Benth. 1880 (2 spp.)
- Planera J.F.Gmel. 1791 (1 sp.)
- Ulmus L. 1753 (40 spp.)
- Zelkova Spach 1841 (6 spp.)
Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Ulmaceae&oldid=1130233"
