VOOZH about

URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Omby

⇱ Omby — Wikipedia


Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
👁 Image
Omby volontany soisa Fleckvieh miambozona lakolosy

Ny omby dia karazana biby mampinono sady biby fiompy, biby lehibe misy kitro sy tandroka roa ary mety misy trafo iray eo an-tampon-damosiny, ao amin' ny fianakaviana Bovidae. Izy io dia biby mampinono lehibe (manana halava eo anelanelan' ny 120 sy 150 sm ary milajna 600 hatramin' ny 800 kg rehefa lehibe). Atao hoe Bos taurus ny anarany ara-tsiansa.

Karazana ao amin' ny foko Bovini izay avy ao amin' ny Tontolo Tranainy nivoatra avy amin' ny aorôka ny omby. Anisan' ny zana-pilaharan' ny Ruminantia (biby mandinika: mamerina mitsako izay efa nateliny) izy io. Zana-karazana roa lehibe no miavaka: ny na (Bos taurus taurus na Bos primigenius taurus) sy ny (Bos taurus indicus na Bos primigenius f. taurus), ampifadraisin' ny mpanoratra sasany amin' ny Bos taurus primigenius (aorôka) izay lany tamingana tamin' ny taonjato faha-17 amin' ny endriny bibidia, fa ny mpiompy dia miezaka mamerina karazana manakaiky azy. Izy ireo dia ao amin' ny zana-pianakaviana Bovinae ary karazana miely be indrindra amin' ny vondron-karazana Bos.

👁 Image
Omby malagasy

Manodidina ny 10500 taona lasa izay, ny omby tsy misy trafony dia nanomboka nompiana avy amin' ny razamben' ny aorôka tany afovoan' i Anatôlia, tany Ampiposahana ary tany tapny andrefana amin' i Iràna. Famolahana fiompiana misaraka no nitranga tany amin' ny Zana-kôntinenta Indiana, izay niteraka ny omby misy trafo.

Ompiana indrindra ho amin' ny famokarana hena sy ronono ny omby. Ampiasaina hahazoana hoditra na tandroka hanamboarana antsy na taozavatra hafa, na hahazaoana tain' omby hatao fandrehitra sy handonahana ny nofon-tany koa ny omby. Mitarika sarety sy fitaovam-pambolena izy ireo amin' ny maha biby mpitarika azy.

Miparitaka manerana an' i Eorôpa sy ny faritra manana toetany antonony any Azia, any Amerika ary any Aostralia ny omby tsy misy trafo. Ny omby misy trafo kosa dia hita indrindra any India sy amin' ny faritra mafana any Azia, any Amerika ary any Aostralia. Aty Afrika atsimon' i Sahara no ahitana ny omby sangà. Ireo vondrona ireo, izay indraindray sokajiana ho karazana na zana-karazana samihafa, dia zaraina ho firazanany 1000 mahery fantatra. Nahatratra 940 tapitrisa mahery ny omby eran-tany tamin' ny taona 2022. Ny omby no tompon' andraikitra amin' ny 7% amin' ny etona mampihiboka hafanana maneran-tany.

Nahaliana ny olombelona hatramin' izay ny omby. Mariky ny tanjaka sy ny fahalonahana ny ombilahy. Izany no mahatonga ireo biby ireo ho hita any amin' ny fivavahana samihafa. Any India dia biby masina ao amin' ny hindoisma ny omby ary tsy azo vonoina. Ompiana ho biby fanao namana ny karazan' omby kely vatana tsy misy trafo. Ampahany manan-danja amin' ny kolontsaina tandrefana izy ireo, ary lohahevitry ny aingam-panahy ho an' ny mpanao hosodoko sy ny mpanao sary sokitra na ho mpandray anjara ao amin' ny tantara an-tsary, ao amin' ny sarimihetsika na ao amin' ny dokam-barotra.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Ataonao ho omby tsy enin-drano ve aho, ka hisotro ranon-tambiazona?
  • Omby zato tsy nampihosy, ka efa iray sisa vao manenjan-tsikina!
  • Tsy miandry omby lavitra ny tanàna, tsy milalao lavitra ny vohitra.
  • Adin' ombalahy ka no atakalo izay adin' ombivavy
  • Akohon-kamboty nohitsahin' omby mifahy, ka samy be amin' ny azy.
  • Aleo enjehin' ny omby masiaka toy izay enjehin' ny fieritreretana.
  • Ambohimanambola no matavy omby, ka Ambohimalaza no lafo kitay.
  • Andevolahy mamahy reniomby, ka mamindra fo, fa samy haren' olona: ny omby "aza mifidy vilona", ny andevo "aza maka ny ratsy".
  • Andevolahy manana omby zato: ny tenany aza ahy, mainka ny omby zato.
  • Ny fitia toy ny andry ombin' ankizy: afa-po dia misaraka, tsy afa-po mifamerina.
  • Andry ombin' Ifiringa adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo.
  • Andry ombin' Imalemifanahy: ny noana voasafosafo, ny voky voalambolambo
  • Any milefona omby, ary etý mively rano
  • Antoandro faka ronono, ka nilaozan' ny omby nihahaka.
  • Ny omby mahia tsy lelafin' ny namany; ny malahelo tsy mba havan' ny manana
  • Aomby bory manonofy tandroka, manonofy raha tsy ho azo.
  • Ataovy hanin' omby: sady mimamà no miraoka; fa ny alahelo tsy efan-joretra
  • Ataovy mitombo ohatra ny tohatr' omby fahavaratra, fa aza atao mihenamihena ohatra ny trafon' omby ririnina
  • Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
  • Ataovy toy ny tsimpon-tain' omby ny filan-karena: na kely azo, na be azo, ataovy an-karona avokoa.
  • Aza atao andry ombin' ilay adala, ka ny aloha voatora-tandroka, ary ny aoriana voafola-drambo; fa ataovy andry ombin' ilay mora, ka ny aloha voakahankahana, ny aoriana voasafosafo.
  • Aza manao fandrin' omby: mandry, fa tsy lavo loha
  • Aza manao lelan' omby: sady hitsabaka am-bava no hitsabaka an' orona.
  • Aza manao ombin' Imarovatana: sady mahalany ahitra iray lohasaha no mahalany mangahazom-bolafolo, nefa tsy hita izay taviny, fa ny kibony no mihalehibe
  • Aza manao toloho mampirehoka omby.
  • Aza manao toton' omby bory
  • Aza manao tsitsik' ombin' Ibetsileo: ny ombin' Ikoto an' Ikoto ihany, ary ny ombin' olona an' Ikoto koa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]