Ny Didiereaceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka (Dicotyledonaea), ao amin' ny filaharana Caryophyllales; misy karazana mihotra ny folo voazara anaty vondron-karazana 4 hatramin' ny 7. Hazo na hazo madinika izy ireo, amin' ny ankapobeny manana endri-taova manokana, ka ny asa fahazoana famaitso dia sahanin' ny taho. Anisan' ny Didieracerae ny fantiolotsy (Alluaudia procera). Matetika izy ireo dia feno tsilo sy maharitra, ary matetika antsoina hoe "zavamaniry be ranony". Ity fianakavian-javamaniry ity dia tsy misy afa-tsy any amin' ny faritra maina eto Madagasikara sy any Afrika Andrefana. Manana karazana 16 mizara amin' ny vondron-karazana 6 ity fianakaviana ity.
Fanasolajiana
[hanova | hanova ny fango]Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Mizara ho vondron-karazana 6 ity fianakaviana ity, dia:
- ny Alluaudia,
- ny Alluaudiopsis,
- ny Calyptrotheca,
- ny Decarya,
- ny Didierea,
- ary ny Portulacaria.
Ny vondron-karazana sy karazana hita eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Ny Alluaudia
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany enina ny Alluaudia, izay samy tsy hita afa-tsy eto Madagasikara avokoa. Ny ankamaroany dia hita any amin' ny ala any atsimo-andrefan' ny Nosy. Ny karazana Alluaudia dia misy voniny vavy sy lahy misara-toerana ao amin' ny zavamaniry roa samy hafa. Mirindra manodidina ny ravina ho fiarovana amin' ny biby mpihinana ahitra ny tsilo. Mipetaka metatra maromaro ambonin' ny tany ny tsilo, ary azo inoana fa nivoatra ho setrin' ny fihinanana ahitry ny amboanala na maky izay efa lany tamingana ankehitriny, toa ny Hadropithecus. Ny karazana maky maro velona amin' izao fotoana izao no mihinana be dia be amin' ny Alluaudia, toy ny hira (Lemur catta) sy ny gidro fotsy tongotra (Lepilemur leucopus).
Indreto ny karazana misy ao aminy:
- Alluaudia ascendens
- Alluaudia comosa
- Alluaudia dumosa
- Alluaudia humbertii
- Alluaudia montagnacii
- Alluaudia procera (fantiolotsy)
Ny Alluaudiopsis
[hanova | hanova ny fango]Ny Alluaudiopsis dia misy voninkazo lahy sy vavy amin' ny zavamaniry samy hafa. Ny faritra faniriany dia ny faritra atsimo amin' i Madagasikara. Indreto ny karazana misy ao aminy:
- Alluaudiopsis fiherenensis
- Alluaudiopsis marnieriana
Ny Decarya
[hanova | hanova ny fango]Eto Madagasikara no misy ny Decarya. Tokana ny karazana hita ao, dia ny Decarya madagascariensis.
Ny Didierea
[hanova | hanova ny fango]Ny vondron-karazana Didierea dia misy voniny lahy sy vavy amin' ny foto-javamaniry samy hafa. Ny karazany roa fantatra dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, izay ahitana azy any amin' ny ala misy tsilo. Indreto ireo karazana misy ao aminy ireo:
- Didierea madagascariensis
- Didierea trollii
Ny vondro-karazana sy karazana hita ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika
[hanova | hanova ny fango]Ny Calyptrotheca
[hanova | hanova ny fango]Ny tany anirian' ny Calyptrotheca dia ao amin' ny faritra avaratra-atsinanana sy atsinanana amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika. Indreto ny karazana misy ao aminy:
- Calyptrotheca somalensis
- Calyptrotheca taitensis
Ny Portulacaria
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika no misy ny Portulacaria. Indreto ny karazana misy ao aminy:
- Portulacaria afra
- Portulacaria armiana
- Portulacaria carrissoana
- Portulacaria fruticulosa
- Portulacaria longipedunculata
- Portulacaria namaquensis
- Portulacaria pygmaea
