VOOZH about

URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Convolvulaceae

⇱ Convolvulaceae — Wikipedia


Hankany amin'ny vontoatiny
Avy amin'i Wikipedia
👁 Image
Convolvulus arvensis (karazana filamatra)

Ny Convolvulaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravin-tsimoka; ao amin' ny filaharana Solanales (akaikin' ny Solanaceae) izay ahitana vondron-karazana enimpolo eo ho eo sy karazany eo amin' ny 1950 hatramin' ny 2000 eo ho eo, izay maniry saiky amin' ny toerana rehetra. Ny vondron-karazana roa Convolvulus sy Ipomoea, dia mamondrona mihoatra ny ampahatelon' ny isan' ny karazana ao amin' io fianakaviana io. Ao amin' ny fanasokajiana APG sy fanasokajiana APG II, ity fianakaviana ity dia naitatra ka ahitana ny zavamaniry ao amin' ny Cuscutaceae sy ny Humbertiaceae (ity farany ity dia tsy ahitana afa-tsy ny Humbertia madagascariensis, izay hazo lehibe tsy hita afa-tsy eto Madagasikara).

👁 Image
Jacquemontia reclinata

Zavamaniry ahitra, mety mianika na mandady, hazobotry, vahy ary indraindray hazo, any amin' ny faritra manana toetany antonony ka hatrany amin' ny faritra manana toetany mafana. Karazana trôpikaly maro no ambolena ary atao sakafo na fanafody na haingo, fa ny hafa kosa, indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony, dia ahi-dratsy.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Vondron-karazana hita eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
👁 Image
Handrinamboa, horompetaka na vahimpasika (Evolvulus alsinoides)

Indreto ny vondron-karazana hita eto Madagasikara. Tsara anefa ny manamarika fa ny fanasokajiana ara-bôtanika dia sehatra mivoatra hatrany, ary mety hiovaova ny isan' ny karazana misy sy ny famaritana azy ireo arakaraka ny fanadihadiana ara-taksônômia farany. Ankoatra izay dia mety tsy ho feno io lisitra io ary mety misy karazana hafa na mety ho hita vao haingana eto Madagasikara.

Vondron-karazana voafariparitra

[hanova | hanova ny fango]
👁 Image
Stictocardia beraviensis

Indreto ny vondron-karazana voatsinjara araka ny foko misy azy avy:

Aniseieae
  • Aniseia Choisy
  • Odonellia K.R.Robertson
  • Tetralocularia O'Donell
Cardiochlamyeae
  • Cardiochlamys Oliv.
  • Cordisepalum Verdc.
  • Dinetus Buch.-Ham. ex Sweet
  • Duperreya Gaudich.
  • Poranopsis Roberty
  • Tridynamia Gagnep.
Convolvuleae
👁 Image
Valibaliha (Jacquemontia tamnifolia)
Cresseae
  • Bonamia Thouars
  • Cladostigma Radlk.
  • Cressa L.
  • Evolvulus L.
  • Hildebrandtia Vatke
  • Seddera Hochst.
  • Stylisma Raf.
  • Wilsonia R. Br.
Cuscuteae
  • Cuscuta L. – dodder
Dichondreae
  • Dichondra J.R.Forst. & G.Forst.
  • Falkia Thunb.
  • Nephrophyllum A.Rich.
  • Petrogenia I.M.Johnst.
Erycibeae
  • Erycibe Roxb.
Humbertieae
Ipomoeeae
👁 Image
Vomanga (Ipomoea batatas)
  • Argyreia Lour.
  • Astripomoea A.Meeuse
  • Blinkworthia Choisy
  • Ipomoea L. – (ahitana ny vomanga na bageda (Ipomoea batatas), nampidirina teto koa ny Ipomoea tricolor)
  • Lepistemon Blume
  • Lepistemonopsis Dammer
  • Paralepistemon Lejoly & Lisowski
  • Rivea Choisy
  • Stictocardia Hallier f. (ahitana ny Stictocardia beraviensis)
Maripeae
  • Dicranostyles Benth.
  • Itzaea Standl. & Steyerm.
  • Lysiostyles Benth.
  • Maripa Aubl.
Poraneae
  • Calycobolus Willd. ex Schult.
  • Dipteropeltis Hallier f.
  • Metaporana N.E.Br.
  • Neuropeltis Wall.
  • Neuropeltopsis Ooststr.
  • Porana Burm.f.
  • Rapona Baill.
Tsy fantatra ny vondrona tena misy azy ireto (Incertae sedis)
  • Camonea Raf.
  • Daustinia Buril & Simões
  • Decalobanthus Ooststr.
  • Distimake Raf.
  • Hewittia Wight & Arn.
  • Hyalocystis Hallier f.
  • Merremia Dennst. ex Endl.
  • Operculina Silva Manso
  • Remirema Kerr
  • Xenostegia D.F.Austin & Staples

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Fianakavian-javamaniry hafa: